airtel

Fifamoivoizana

16-sept-2021

Fifamoivoizana

Lalam-pirenena faha-7 Fiara 4x4 nivadika, maty ilay ramatoa mpamily

Sample post image

Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray tany.amin'ny RN7 akaikin’ny distrikan’ Ihosy omaly ka fiara 4x4 iray no niharan-doza tamin’izany

16-sept-2021

. Nivadika ambony ambany izy io noho ny antony tsy fantatra ka maty tsy tsa-drano nandritra izany ilay vehivavy namily ny fiara. Roa hafa kosa no naratra ary efa nentina any amin'ny hopitaly Ihosy omena fitsaboana. Tsiahivina moa fa vokatry ny fandehanana mafy na ny hamamoana matetika no mitera-doza mety hamoizana ny aina tahaka izao. Tokony samy hitandrina araka izany ny tsirairay. Fotoana mahabetsaka ny mpampiasa lalana rahateo ankehitriny ka ilana fahamalinana tanteraka. Tsy latsa-danja amin’izany ny fanaraha-maso ny fiarakodia.
Nangonin’i Pati

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap
22-avril-2024

Tombanana ho vita amin’ny taona 2025 ny lalana mirefy 75, 838km mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Vahibe,

Card image cap