eo anelanelan'Ambatolampy sy Ihazolava amin'ny lalam-pirenena faha 7 na «RN 7», hoy ny fampitàm-baovao voaray ny sabotsy teo. Ampahan-dalana mirefy 1,3km eo anelanelan'ny PK 72 sy PK 78 no voakasik'izany asa izany, hoy ny fanazavàna. Vatsian'ny Tahirim-bola ho an'ny lalana na ilay hoe FR na «Fond routier» izy io. Mialohan’ny fametrahana tara, ary ho fanamafisana ny lalana, dia efa nisy ny fametrahana sosona fototra, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
Raikitra ny fanapahan-dalana nanomboka omaly ho an’ny eto Antananarivo renivohitra
Lehilahy iray no namoy ny ainy teo noho eo voahitsaky ny fiaran-dalamby