airtel

Fifamoivoizana

20-sept-2021

Fifamoivoizana

Lalam-pirenena faha-7 Miverina ny fanakanana sy fanafihana taksibrosy

Sample post image

Miverina mahazo vahana any indray ny fanakanan-dalana ataon’ny jiolahy sy ny dahalo any amin’ny làlam-pirenena fahafito na ny RN7.

20-sept-2021

 Lasibatra indray ireo taksiborosy, kanefa efa mba nihalefy izany teo aloha. Ny alin’ny 18 septambra tokony ho tamin’ny 11ora. Manodidina ny 45 ka hatramin’ny 50km miala an’Ambositra no nitrangan’izany, tany Irano, fokontany Fandrainjato, kaominina Ilaka Centre. Fiara 5 tamin’ireo no voatoraka, sy nahazoan’ireo jiolahy vola maherin’ny 4 000 000 ariary, niaraka tamin’ny finday sy fananan’ny mpandeha isan-karazany. Tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana tany an-toerana, vokatry ny antso nataon’ny mpandeha. Nitsoaka ireo jiolahy, noho ny tifitra nataon’ny mpitandro filaminana. Tsy nisy naratra, tsy nisy aina nafoy. Mbola mitohy ny fikarohana ireo jiolahy, raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra ao amin’ny tobim-paritry ny Zandarimaria Ambositra. Omaly alahady 19 septambra tokony ho tamin’ny 1ora maraina, taksibrosy hianatsimo maromaro no voatafiky ny andian-jiolahy teo anelanelan'i Beronono sy Kianja any Akaikin'Ilaka Centre, hoy ny fampitam-baovao hafa. Voaroba, ka lasa ny volan’ireo mpandeha, ny entana sy zava-tsarobidy rehetra. Tsy vitan’izay fa nisy ny naratra tamin’ireo mpandeha sasany noho ny herisetran’ireo olon-dratsy. Nisy nahatsikaritra fa fiara sprinter sy “4x4” izany no nametraka jiolahy am-polony mirongo basy teo amin'ilay toerana, hoy hatrany ny vaovao avy any an-toerana. Efa tonga teo an-toerana ny zandary fotoana vitsy tao aorian’ny nitrangan’ny loza. Ny 18 septambra lasa teo, tokony ho tamin'ny 1 ora sy 45 minitra ihany koa, diavoalaza fa nisy fanakanan-dalana nataon’ny dahalo teo amin'ny Pk 82+700 Menabe Lovainjafy, CR Ambohimpihaonaba, Distrika Ambatolampy. Fiara taksibrosy hihazo an'Antananarivo indray no lasibatra, voatora-bato teo. Lehilahy 4 mirongo «bois rond» nametraka sakana teo amin'ny arabe, raha ny fanazavana vonjimaika. Olona avy namonjy lanonana ireo efa-dahy no nikasa hanao asa ratsy, raha ny voalazan’ny fanadihadiana taorian’ny fahatongavan’ny zandary nijery ifotony.
Toky R
 

Dans la même rubrique