Kodiaran-droa iray no fantatra fa nifanakatro-doha tamin'ny fiara crafter iray omaly Alahady 30 Aogositra tany amin'ny lalam-pirenena fahafito. 13 km mialohan'ny hidirana an'Ambatompy no nitrangan'izany raha hianatsimo, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany. Lehilahy iray nitondra moto Jet Power no voalaza fa nidona mafy tamin’ny fiara Crafter rehefa nifanena izy ireo. Naratra mafy vokatr'izany ilay mpitondra moto ary hatahorana mihitsy ny ainy hoy ny vaovao. Tombanana hatrany amin'ny 90% ny fahasimban'ilay moto raha nisy fahasimbana ihany koa ny fiara Crafter. Noentina vonjimaika tany amin’ny hopitaly Ambatolampy moa ilay naratra. Tsiahivina fa mirongatra hatrany ny lozam-pifamoivoizana tahaka izao eto amintsika. Ankoatra ny olan'ny fiara na moto dia antony mahatonga ny loza koa ny mpamily sy ny tsy fahafehezana ny lalan'ny fifamoivoizana. Ny 20% avy amin'ilay mpamily raha avy amin'ilay fiara ny 80% ambiny.
Nangonin'i Pati
Légende : Tahaka izao ny nanjo ilay fiara crafter sy ilay moto !