Olona 7 mianaka nikasa ny hiala sasatra any Foulpointe no tra-doza. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia niala fiolahana na « virage » ny mpamilin'ity fiara ity ka tsy nahatafaverina familiana intsony, ary lasa tany anaty hantsana sy rano. Vokany, olona 4 no indray namoy ny ainy. Anisan'ireo i Fabienne Raharivelo, tompon'andraikitry ny serasera eo anivon'ny Ortana na ny « office regional du tourisme Analamanga » niaraka tamin'ny zanany vavy kely iray. Toraka izany koa ny rafozan-dahiny sy ny rafozam-baviny izay nentin'izy ireo niaraka taminy. Avotra soa aman-tsara kosa izy 3 mianaka nahitana ny mpamilin'ilay fiara, ny vadin-dRatompokovavy ary ny zanany lahy kely iray. Izahay eto amin'ny gazety Tia Tanindrazana dia mirary fiononana feno ho an'ny fianakavian'ny maty.
Nangonin'i Pati Legende : Tahaka izao no nihafaran'ilay fiara tra-doza !
Olona iray nitaingina moto ihany koa omaly no namoy ny ainy teny Ambanintsena any amin’ny lalam-pirenena faharoa. Raha araka ny vaovao azo dia nifanehitra tamin'ny kamiao iray lehibe ity moto izay nana taingin-droa ity.
Nitrangana lozam-pifamoivoizana teo avaratr'Andranomanelatra amin’ny lalam-pirenena faha-7, fidinana hiditra ny tananan'Andranotsara,