airtel

Fifamoivoizana

12-juil-2021

Fifamoivoizana

Lalàm-pirenena faharoa Ireo tena simba no amboarina

Sample post image

Manomboka ny asa fanamboarana ny làlam-pirenena faharoa (RN2) miainga eo Brickaville ny orinasa voafantina hanao izany, araka ny fampahafantaran’ny Fitantanana Foiben’ny Asa Vaventy.

12-juil-2021

 Vola madiodion’ny fanjakana, avy amin’ny tetibolan’ny Fonds Routier no hanatanterahina ny asa. Efa nambaran’ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy Atoa Hajo Andrianainarivelo rahateo, fa ny eo am-pelantanana no hahetsika. Fikojakojana ireo simba no atao, fa tsy fanamboarana tanteraka, ary efa nilaza ny minisitry ny asa vaventy fa tsy ahafahana manavao ny làlam-pirenena eto Madagasikara ny vola eo am-pelantanan’ny Fanjakana. Any amin’ireo toerana tena misy fahasimbana no hamboarin’ireo orinasa manatanteraka ny asa. Takian’ny mpampiasa làlana, indrindra fa ny kamiao mpitatitra entana ny fanavaozana ny RN2. Raikitra hatramin’ny fitokonana ary niditra an-tsehatra hatramin’ny mpitandro filaminana. Andrasana izany ny fahavitan’ny asa. Ankoatran’ny fikojakojana, dia ny alakamisy lasa teo raha tsiahivina no notanterahina ny fifanarahana tamin’ny Governemanta Japoney amin’ny fanavaozana tanteraka ny tetezan’Antsapanana sy Mangoro, izay misy famatsiam-bola 23 tapitrisa dolara. Hosoloina tetezana « béton armé » ireo vy mandrafitra izany.
Toky R
 

Dans la même rubrique