airtel

Fifamoivoizana

10-janv-2022

Fifamoivoizana

Làlam-pirenena voalohany Nidona mafy tamin’ny andrin-jiro ilay fiara 4x4

Sample post image

Nisehoana lozam-pifamoivoizana nampivarahotsana teny amin’ny làlam-pirenena voalohany (RN1) ny 7 janoary lasa teo tokony ho 2 ora sy sasany tolakandro, teo amin ny PK 66, 2 km mialohan’ny hidirana ny tanànan’i Soamahamanina.

10-janv-2022

 Fiara tsy mataho-dàlana iray nianga avy aty Antananarivo ho any ampefy no nivoaka ny làlana rehefa nikasa ny hisongona fiara lehibe teo anoloany. Raha ny filazan’ ny mpamilin’ilay kamiao dia nalama ny làlana noho ny orana sy ny fisian ny rano miangona teo amin ny arabe ka antony nampisy ny loza satria tsy tafajanona ilay fiara tsy mataho-dàlana raha tsy nahadona ny andrin-jiro teo amin’ny ankavian-dàlana ka nahasimba tanteraka ilay fiara. Tapaka nianjera tanteraka rahateo ilay andrin-jiro vita amin’ny « béton ». Tapaka nandritra ny ora iray noho izany ny fifamoivoizana noho ilay andrin-jiro izay mitondra herinaratra matanjaka nibahana ny làlana. Azo raisina ho fahagagana anefa fa ireo olon-droa tao anatin’ilay fiara dia tsy nahitana na dia ratra kely monja aza, hoy ny fanamarihana. Efa teny an-toerana ny zandarimariam-pirenena nandamina ny fifamoivoizana sy nandray an-tànana ity loza ity. Entanina ny mpampiasa làlam-pirenena mba samy hitandrina indrindra amin’izao fotoanan’ny orana sy ny faharatsian’ny làlana izao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap