hataon’ireo mpamily kodiaran-droa. Misy tena manaotao foana mihitsy izy ireny. Ankoatra ilay Raim-pianakaviana iray nitondra zaza 2 taona tonga nitolo-batana teny anivon’ny zandarimariam-pirenena dia Raim-pianakaviana iray ihany koa no fantatra fa nitondra zaza madinika miisa 7 be izao tamin’ny moto anankiray tany Ambodisatra Sambava. Tao anatin’ny ranon’orana no nitrangan’izany no sady mbola nentiny namakivaky ny lalan-dratsy be hatao hoe : la route de l’impossible ihany izy ireo. Mba tsy nisy naninona moa ireo zaza ireo raha ny vaovao azo saingy tena reraka kosa. Tsiahivina fa heloka mahavoatazona am-ponjakely mandritry ny 48 ora ny fitondrana zaza latsaky ny 5 taona amin’ny moto. Arahina fanaterana ny antontan-taratasin'ady sy ny vatatenan’ilay mpamily manoloana ny fitsarana izany raha eo ihany koa ny fisintonana vonjimaika na tanteraka ny taratasy fahazoan-dalana mamily kodiaran-droa raha manana izy. Hampidirina ambalam-pamonjana ihany koa ilay kodiaran-droa.
Nangonin’i Pati
Legende : Valo mianaka ry zareo no nianaraka teto raha olon-dehibe roa !
Efa vita 100% ny fotodrafitrasa etsy Ivandry, toerana fiantsonana lehibe indrindra,
Namono olona indray ny moto na kodiaran-droa omaly alakamisy 06 Febroary teny amin’ny lalam-baovao Ambohitrimanjaka.