makany Andilagna Nosy-Be Hell Ville ny andron’ny omaly. Kamio iray no nandona vehivavy iray niaraka tamin’ny zanany, izay nandeha teny amin’ny sisin-dalana. Maty teo noho eo ilay renim-pianankaviana, raha toa ka nialana nenina tany amin’ny hopitaly kosa ilay zanany izay vao 9 volana, saingy indrisy fa tsy tana ihany koa ny ainy. Nandeha mafy ilay kamio kinanjo nifanojo tamin’ny kamio hafa, ka niala an’iny namonjy sisiny, ka ireto mpianaka tsy manan-tsiny no nifatrarany. Vao 19 taona ihany monja ity renim-pianankaviana ity, ary 9 volana ilay zanany araka ny efa voalaza etsy ambony. Mankahery ireo fianankaviany, ary manentana ny rehetra hitandrina hatrany amin’ny resaka fifamoivoizana satria ny tsy fitandreman’ny hafa dia mitera-doza ho an’ny tsy manan-tsiny.
Nangonon’i Toky R
Simba tanteraka ny lalana etsy Soanierana ampitan’ny Descour.