airtel

Fifamoivoizana

25-mars-2021

Fifamoivoizana

Làlana ao Ambanja Nomena baiko ny orinasa hamerina ny asa tsy nety

Sample post image

Hentitra ny tenin’ny Ministry ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa Vaventy, Hajo Andrianainarivelo,

25-mars-2021

 

 

 

 raha nidina nijery ifotony ny fanamboarana ny làlana rarivato ao an-tampon-tanànan'Ambanja izy. Nomena baiko ny orinasa nanao ny làlana hamerina tanteraka ireo làlana namboariny, ary mba hanarahany ny bokin'andraikitra. Nomena fe-potoana hamerenana izany fanamboarana izany ny orinasa. Tsy azo ekena intsony, hoy i Hajo Andrianainarivelo, ny gaboraraka sy ny fandanindaniam-poana ny volam-bahoaka, ny fanaovana asa tsy manaraka ny kalitao voarakitra anaty bokin'andraikitra. Ho hentitra avokoa ny fanaraha-maso ny asa avy amin'ny tsenan'asam-panjakana rehetra, ary tsy handefitra amin'ireo mpanao kitoatoa ny fanjakana.

 Jean D.

Dans la même rubrique