airtel

Fifamoivoizana

16-nov-2026

Lalana Arivonimamo

–Manalalondo (38 KM)

Sample post image

43,1 miliara Ariary eo ny tetibola

16-nov-2026

ho an’ny asa fanamboarana
Raha tsy misy ny fiovana dia hanomboka amin'ny May na Jona 2027 ny asa fanamboarana ny Lalana Arivonimamo – Manalalondo (38 KM). Volana vitsy mialoha an'io janoary 2027 any no hatao ny fifantenana orinasa hanao ny asa harahin'ny fanaovan-tsonia fifanarahana. Manodidina ny 43,1 miliara Ariary, ny tetibola vinavinaina ho an’ny asa fanamboarana. Efa amperin'asa ny orinasa manao ny fanadihadiana, hamaritana ny zotran'ny lalana hatao. Kaominina mamokatra i Manalalondo. Misy anaram-bary mitondra ny anaran'ity Kaominina iray ao anatin'ny Distrikan'i Arivonimamo ity mihitsy aza. Ny lalana no mampitaraina ny mponina any, indrindra rehefa vanimpotoana fahavaratra toy izao. Manantena ny mponina any Manalalondo fa ho vita ity lalàna ity. Manara-maso akaiky ny fanatanterahana ity tetik'asa ity ny solombavambahoaka Rajerison Antoine. Izany dia "mba hahafahana mamoaka mora kokoa ny vokatra, manamora ny fitaterana marary, ary indrindra mampivezivezy ny olona sy ny vokatra, ka hitondra fampandrosoana ny toekarena eny ifotony", hoy izy. Nanomboka tamin’ny May 2025, hoy izy, no efa nisy ny ezaka nitadiavana famatsiam-bola ho an’ity lalana ity. Nahitana vokatra ankehitriny ary niroso ny dingana rehetra.
Nangonin'i Jean D.
Sahirana hatramin'ny fiara 4x4 mitatitra olona amin'ny lalan'i Manalalondo
 

Dans la même rubrique