airtel

Fifamoivoizana

03-févr-2023

Fifamoivoizana

Lalana eto an-drenivohitra Lavitra be ny makety naseho ny zavamisy marina

Sample post image

Raha ny kabary sy fampanantenana nataon’ny kandida laharana faha 13 tamin’ny propagandy taona 2018, dia efa

03-févr-2023

tsy tokony nisy arabe nisy lavaka izany intsony teto an-drenivohitr’i Madagasikara ary efa hita misongadina ireo fotodrafitrasa vaovao fanatsarana ny efa nisy. Tafiditra ao anatin’izany ny Tanàna vaovao Tanamasoandro sy ny Flyover Anosizato, Ampasika. 4 taona aty aoriana, hafa mihitsy ny sary hita, arabe tsy hoe misy loaka fa efa tena lasa lavaka feno rano mihitsy, arahana loto…tapitra ahitana simba ny lalana rehetra misy eto Antananarivo renivohitra sy mizotra mankany amin’ireo kaominina manodidina azy. Mazava ho azy fa miteraka fahasimbana sy fatiantoka ary loto ireny izany hoe misy vokany ratsy amin’ny toekarena. Tena hafa n makety kisarisary nentina nambabo ny fon’ny mpifidy, fa zavatra hafa mihitsy no misy sy mitranga avy eo. Iza no tsy mahita izany hoe arabe efa lasa lavaka sy fotaka izany eny Isotry, Ankasina, 67 ha…kanefa tamin’ny vanim-potoanan’ny valan’aretina Covid 19 dia nodradradradraina fa araraotina amboarina avokoa ireo lalana simba eto an-drenivohitra.Inona akoary ny teo. Rehefa ena alohalika ny ranom-bary vao hoe andao hanamboatra lalana, dia avy eo hoe ajanona indray aloha ny fanamboarana fotodrafitr’asa fa aleo mifantoka amin’ny sosoialim-bahoaka, dia asa indray afaka herinandro vitsitsivy hoe hanao inona indray. Tsy nisy firenena ratsy lalana ka hoe nandroso izany, ary tokony misongadina sy atao fitaratra ny heo renivohitra. Dia efa mazava ny resaka izany izao fa azo itarafana tsara ny fikorontanam-pitantanana sy ny fihemorana eto Madagasikara io haratsin’ny lalana eto Antananarivo io e.
RTT
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap