airtel

Fifamoivoizana

28-mai-2026

LALANA MAMPITOHY

AN'IFANADIANA SY IKONGO

Sample post image

Mangataka ny hanamboarana azy ny depiote Mariette

28-mai-2026

Mangataka ny hanamboarana ny lalana mampitohy ny distrikan'Ifanadiana amin'Ikongo ny solombavambahoaka voafidy tao Ikonho Ravoniarisoa Mariette. Mbola tena sakana amin'ny fampandrosoana ao anatin'ireo distrika roa ireo mantsy ny haratsian-dalana. Tsy afaka mifamezivezy ny mponina sy ny vokatra , hany ka mbola maro ireo faritra lavitra andriana. Mikasika ny CIAD taona 2025 manokana dia nomarihin'ity solombavambahoaka ity fa efa tonga saingy kely dia kely. Tsy ampy hanamboaran-dalana hoy izy ilay lela-vola 250 tapitrisa Ar. Naompany tany amin'ny fanamboarana ny biraon'ny kaominîna noho izany ny vola ka kaominîna miisa 2 dia ny ao Maromiandra sy Ambolo-madinika no nahazo tombontsoa tamin'izany. Hotokanana mialohan'ny Fetin'ny 26 Jona ho avy izao ny foto-drafitrasa raha tsy misy fiovana. Antony nisafidianan-dRavlniarisoa Mariette ny biraon'ny kaominîna hanamboarina moa raha tsiahivina ny hamaroan'ireo olona tonga mila raharaha ao amin'izy ireny nefa ny trano sy fitaovana tsy zarizary.
Pati


Légende : Izy no Ravoniarisoa Mariette, solombavambahoaka voafidy tany amin'ny distrikan'Ikongo !
 

Dans la même rubrique

28-mai-2026

‎Taorian'ny fanentanana sy fampahafantarana

Card image cap
28-mai-2026

toerana nampitaraina ny mpampiasa lalana

Card image cap
28-mai-2026

Takiana ny fiaraha-mientan’ny rehetra»

Card image cap
26-mai-2026

Tonga nitsidika tany Fandriana ny

Card image cap
26-mai-2026

Nanamafy tamin’ny alalan’ny fandaharana

Card image cap