airtel

Fifamoivoizana

06-déc-2021

Fifamoivoizana

Làlana ratsy be Anosibe-Anosipatrana Mba misy mpitondra mahita ihany ve ?

Sample post image

Efa an-taonany no nampitaraina ny rehetra ny làlana miala eo Anosibe mifanandrify amin’ny Farmasia Volahanta, mandalo ny trano 5 sy ry Masera dia mihazo an’Anosipatrana,

06-déc-2021

 mipoitra eny amin’ny Ekar Ilanivato iny. Misy ampahany tena mampiteny ny moana ny haratsiny, zary lasa ranom-potaka, fotaka mandrevo,… ary saika mandavan-taona tsy maina. Manoatra noho ny any amin’ny làlam-pirenena faha-44 rehefa mamotaka kanefa dia eto an-dRenivohitra. Tena tsy misy manam-pahefana mahita ve sa dia hodiana adala tsotr’izao? Làlana mety 1km raha betsaka indrindra no mila fanamboarana fa tsy hoe: 20km. Mahamenatra raha eto Antananarivo Renivohitra no toy izao, ary làlana tena be mpampiasa. Mety hanaovana propagandy aoriana sa mba sa mba hamboarina mialohan’izay ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap