Maro ireo lozam-pifamoivoizana nitranga teny amin’ny Digue Tsarasaotra, Soavimasoandro hatramin'ny nahavitany. Olona maro no efa voadon'ny fiara ka teo ireo maty, tao ny nitondra takaitra. Saika efa hita tra-doza daholo ny sokajim-pitaterana, aina maro no efa nafoy, ary tena mandavan-taona misy loza mahatsiravina nahafaty olona foaba. Mbola nitohy ny tranga ny herinandro teo, tsy latsaky ny 3 ny lozam-pifamoivoizana tao anatin’ny fotoana fohy, ka iray tamin'ireo ny vehivavy bevohoka iray niampita saingy voafaokan'ny fiara ka maty tsy tra-drano. Tsy manaiky intsony ny mponina eny an-toerana satria manahirana ny fandehanana sy ny fiampitàna eny amin’ilay lalana. Mangataka amin’ny tompon’andraikitra ny vahoaka mba hisy fepetra hentitra horaisina haingana. Tsy ampy intsony, hoy izy ireo, ny "marquage au sol", mila apetraka ny casseur de vitesse mba hampihena ny hafainganam-pandehan’ny fiara, mila asiana tetezana hiampitan'ny olona,... Mirimorimo ny fiara mandalo, ka sahirana ny olona amin’ny fiampitana. Mitaky vahaolana maika sy mahomby ny mponina satria efa mampidi-doza amin'ny fiainana andavanandro eny amin’io toerana io. Raikitra indray ny grevy sy ny fanakanan-dalana omaly alahady hariva, hany ka tsy maintsy niditra an-tsehatra nandamina ny mpitandro ny filaminana. Nijolofotra ny setroka vokatry ny doro kodiarana, ny lalana voabahan'ny vato be, ny herisetran'ny mpanararaotra mandeha,... Na izany aza, andraikitra iraisana ary samy tompon'andraikitra ny rehetra. Na ny fiara na ny mpandeha an-tongotra tokony hahay hanaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, ilaina ny fanabeazana ny olom-pirenena sy ny mpampiasa lalana rehetra, ilaina ny fitandremana sy fifanajana,...
Toky R