airtel

Fifamoivoizana

24-nov-2021

Fifamoivoizana

Lalana Tsarasaotra - Anosy Avaratra Tsy ampy iray volana dia misy simba sahady

Sample post image

Mbola tsy ampy iray volana akory no nampiasana azy dia potika sahady ny lalana mampitohy an’i Tsarasaotra sy Anosy Avaratra, raha ny fampitam-baovao voaray.

24-nov-2021

Manaitra ny minisiteran’ny asa vaventy sy ny faritra Analamanga, noho izany, ireo mpampiasa ity lalana ity mba handray fepetra haingana fa tsy aharitra ity lalana ity raha izao no mitohy, hoy izy ireo. Saika isaky ny 10 metatra dia misy mitriatra na efa vaky mihitsy, hoy hatrany ny fanazavana. Isan’ny fanontaniana mipetraka moa ny hoe hatraiza ny fetran’ny fanaraha-maso sy fangaraharahana tamin’ny asa fanamboarana itony lalana itony? Toa zary lasa kolontsaina raiki-tampisaka nandritry ny taona vitsivitsy ity ny fiononana amin’ny lalana “bonbon voanjo” sy kitoatoa ? Heverina fa tsy misy idirany loatra amin’ny fitokonan’ireo mpiasan’ny laboratoaran’ny asa vaventy sy ny taotrano ankehitriny izay mbola taty aoriana be kosa angamba!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique