airtel

Fifamoivoizana

24-janv-2025

LOZA ANY AMIN’NY LALAM-PIRENENA

Ahena amin’ny alalan’ny fitsirihana hoy ny DGSR

Sample post image

Efa mba nihena raha araka ny fanadihadiana natao ny lozam-pifamoivoizana nitranga tany

24-janv-2025

amin’ny lalam-pirenena tato ho ato. Vokatry ny fitsirihana nataon’ny DGSR teny amin’ireo tobim-piantsonana misy eto amintsika no voalaza ho antony nahatonga izany indrindra fa ilay eo am-piaingan’ny taxi-brousse iny. Raha araka ny fanazavan’Atoa Reribaky Jeannot mantsy dia betsaka ny tsy fitandremana hataon’ny mpamily nefa ain’olona no tateriny. Lohalaharana amin’ireny ny fandehanana mafy. Eo ihany koa ny fisotroan-toaka sy ny fifohana rongony raha misy ihany koa ny lafiny ara-teknika mety mahazo ilay fiara toy ny kodiara vaky…. raha ny fanazavany hatrany. Ezahin’izy ireo hotohizana io fitsirihana io raha araka ny fantatra ho fiarovana ny ain’ny mpandeha. Nomarihiny manokana moa fa ireo mpamily manao vadin’asa amin’ny ankapobeny no tena mitera-doza noho izy ireny tsy ampy torimaso… ka ilana fanaraha-maso manokana.
Pati
Tahirin-tsary : Tsy dia nandrenesana loza firy tahaka izao intsony tato ho ato tany amin’ny lalam-pirenena !

 

Dans la même rubrique

02-juil-2025

an’Antananarivo no vahaolan’ny fitohanana»

Card image cap
02-juil-2025

Nisy fidinany 200 Ar isaky ny litatra ny vidi-tsolika nanomboka omaly 1 jolay 2025.

Card image cap
02-juil-2025

Tsy hamaha ny olana eto Antananarivo, raha fifamoivoizana no resahina,

Card image cap
02-juil-2025

Nodimandry omaly i na Sambehafa Tahiry na i Samba Mikaroka

Card image cap