airtel

Fifamoivoizana

09-mars-2026

Loza mahatsiravina

Ankizilahy niala taksibe,

Sample post image

maty voafaokan’ny « 4x4 »

09-mars-2026

Ankizy lahy kely iray vao niala tanaty fiara fitateram-bahoaka na taksibe no voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana na 4x4 teo Anosy Avaratra, eo amin’ny Tsimoka, ny sabotsy teo. Tokotokony teo amin’ny tamin’ny 10 ora sasany maraina teo no nitrangàn’ny loza, raha ny tati-baovao voaray. Tsy niaina intsony ilay zaza, raha ny nitsapàn’ireo mpandalo nikasa hamonjy azy, raha ny fampitàm-baovao voaray tamin’iny fotoana iny ihany. Zaza mbola tsy tokony navela andeha irery izy ity, raha ny fanazavàn’ireo nanatri-maso, ary anatra ho an’ireo ray aman-dreny ihany koa izao, hoy ny fanehoan-kevitra, mba ho mailo hatrany sy hitantana tsara ny zanany eny an-dalana fa lahy tokana ny aina.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique