airtel

Fifamoivoizana

16-déc-2021

Fifamoivoizana

Loza mahatsiravina teny amin’ny RN1 Zandary 1, miaramila 1 sy ny vadiny maty tsy tra-drano

Sample post image

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray tany amin’ny làlam-pirenena voalohany miazo an’I Tsiroanomanididy iny.

16-déc-2021

Fiara iray nentina zandary sy moto iray nanao taingen-telo izay miaramila mivady sy ny zanany no nifandona tamin’iny RN 1 teo Andandihazo Kaominina Tsinjoarivo Imanga ny talata hariva teo. Vokany, maty tsy trano ireo olona telo, dia ilay zandary sy ilay miaramila mivady nitondra moto. Naratra mafy kosa ilay zazakely zanak’izy mivady, izay vao 2 taona monja, ka naterina any amin'ny hopitalibe Tsiroanomandidy noho ny fahatapahana hita teo amin'ny tanany sy ny tongony. Tsy misy atahorana kosa ny ainy. Efa tonga nijery ny zava-nisy ireo tomponandraikim-panjakana tany an-toerana. Sesilany ny lozam-pifamoivoizana satria vao omaly ihany koa mpitondra dia mpitondra bisikileta iray no maty voahitsaky ny fiara tsy mataho-dàlana teny Ambohitrimanja, nisy mpitondra moto tra-doza ihany koa tetsy Ambanidia.

Toky R

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap