airtel

Fifamoivoizana

15-sept-2021

Fifamoivoizana

Loza mahatsiravina teny Ampasapito Maty nodomin’ny fiara ilay polisy am-perin’asa

Sample post image

Polisy iray no namoy ny ainy teo am-panatanterahana ny asany teny amin’ny Rond Point Ampasapito omaly Talata, 14 septambra 2021 tokony tamin’ny 03 ora hariva.

15-sept-2021

 Polisy iray nivoaka avy amin’ny Sekolim-pireenena manofana ho “Inspécteur” sy “Agent de police” ny taona 2017, tamin’ny andiany Rova izy io. Niasa teo anivon’ny “Compagnie Urbaine de la circulation” teto Antananarivo, 30 taona, namela mpitondra tena sy kamboty 7 volana. Niasa ka nijanona tao anatin’ireny « guérite » ho an’ny polisy ireny izy, ary nandritra ny naha tao anatin’io azy indrindra no nisy fiara avy hatrany dia nifaoka ity trano kelin’ny Polisy ity. Nirimorimo mafy, ary namantana tamin’ilay « guérite » ny fiara marika « Opel Sintra Break » miloko manga na « bleu marine », izay ramatoa 40 taona no nitondra azy. Voatarik'ilay fiara 1metatra niala ny toerana nipetrahany ilay trano kely, ary lasibatra tao ihany koa ilay polisy, izay naratra mafy. Nentina avy hatrany teny amin’ny hopitalin’ny Miaramila na ny HOMI Soavinandriana izay tsy lavitra teo ilay Polisy, saingy minitra vitsy nahatongavana teny amin’ny hopitaly dia tsy tana ny ainy noho ny ratra be nahazo azy. Rehefa tonga teny ifotony nijery sy nanao fanadihadiana ny polisy avy amin’ny “Brigade des Accidents”, dia fantatra fa tsy nahitana olana ara-teknika fiara ka tsy tokony ho avy amin’izany no niteraka ilay lozam-pifamoivoizana, hoy ny polisim-pirenena. Nitondra ny teny fampiononana ho an’ny fianankavian’ny namoy ny ainy moa ny avy amin’ny polisim-pirenena. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’ity mpitandro filaminana maty am-perin’asa ity isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap
23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap