airtel

Fifamoivoizana

19-oct-2026

Loza

mahatsiravina teny Ankadindramamy

Sample post image

Raim-pinanakaviana sy ny vadiny

19-oct-2026

bevohoka samy maty
Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teo amin’ny lalana miakatra avy any Vatosoa Ankadindramamy, Boriborintany fahadimy afak’omaly Sabotsy 17 Oktobra tokony ho tamin’ny 05 ora maraina. Fiara Peugeot 306 iray no nifanakotro-doha tamin’ny fiara tsy mataho-dalana iray miloko fotsy marina KIA SORENTO. Raha araka ny fanazavan’ireo nanatri-maso dia tafatodika niverina mihintsy ny lohan’ilay 4×4 noho hamafin’ny fifandonana. Potika vokatr’izany ny lohan’ilay Raim-pianakaviana nitondra ilay fiara Peugeot 306 izay maty teo noho eo raha naratra mafy kosa ilay vehivavy bevohoka niaraka taminy, ary tsy tana ihany koa ny ainy, taorian’ny fialana nenina. Loharanom-baovao moa no nahafantarana fa mbola tao anatin’ny fahamamoana ny mpamilin’ilay fiara 4×4 marika KIA SORENTO. Ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana ihany anefa no tena afaka manamarina izany na tsia. Tsiahivina fa loza sy fahapotehana hatrany no ateraky ny fisotroan-toaka. Lohalaharana amin’izany ny famoivoizana ain’olona tsy manan-tsiny raha mitondra fiara ianao. Faharoa ny resaka fahasalamana. Mitana anjara toerana amin’ireo karazana lozam-pifamoivoizana eto amintsika ny fisotroan-toaka.
Nangonin’i Pati
Legende : Potika tahaka izao ireo fiara roa nifandona !

 

Dans la même rubrique

16-oct-2026

Ampitomboina, manao antso fahalianana ny ATT

Card image cap