airtel

Fifamoivoizana

14-mai-2025

Loza nahafaty olona 2 teny Tsarasaotra

Mpanamory fiaramanidina vao 31 ny iray

Sample post image

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina nahafaty olona indray teny amin’ny

14-mai-2025

lalam-baovao Tsarasaotra Ivato ny alin’ny alahady lasa teo. Anisan’ny namoy ny ainy tamin’izany Razafimandimby Milofo Tojoniaivo, tanora vao erotrerony satria vao 31 taona monja, fantatra teo amin’ny tontolon’ny tily tamin’ny anarana « Taleva Manjofo », fa mpanamory fiaramanidina ihany koa ny tenany. Maty tsy tra-drano vokatry ny fifandonan’ny fiarany tamin’ny fiara lehibe nijanona teo an-dalana. Araka ny vaovao, fiara kamiao iray simba no nijanona teo afovoan-dalana. Tsy ela taorian’izay, nisy fiara 4x4 iray tonga, tsy nahatsikaritra ilay fiara be, ka nidona mafy taminy. Maty avy hatrany ny mpamilin’ilay 4x4. Roa ora taty aoriana, tonga tamin’ny fiarany manokana, BMW X3 ihany koa Razafimandimby Milofo. Tahaka ny teo aloha ihany, tsy nahita ilay fiara nijanona teny an-dalana izy ka nifatratra tany amin’ny vodiny. Namoy ny ainy teo no ho eo ihany koa ny tenany. Hatao veloma farany etsy amin’ny Kateraly Analakely anio 14 mey moa ity mpanamory vao erotrerony namela mpitondra tena iray sy kamboty 2 ity, alohan’ny hanitrihana azy eny Ambohimiadana Carion. Olona 2 izany no namoy ny ainy vokatry ny tsirambina nataon’ilay kamio, izay tsy nametraka ireny mari-pamantarana fametraka eny amin’ny làlana rehefa misy fahasimbana ho an’ny fiara vaventy. Nanokatra fanadihadiana ny manam-pahefana, indrindra mikasika ny antony navelan’ilay fiara simba hijanona tsy nisy famantarana teny an-dalana. Nalefa nakany Soavimasoandro ilay fiara lehibe mba hanokafana tsara ny lalana sy hanohizana ny fanadihadiana. Betsaka ihany koa izay fatiolona tamin’iny làlana Tsarasaotra-Ivato iny ka asa na mitombina ny hoe : misy lolo ? Fanahy ratsy sy ny sisa ? Ny zava-dehibe dia ny fitandremana sy fanajana ny lalana mifehy ny fifamoivoizana hatrany satria tsy ny tena ihany no tandindonin-doza fa ny hafa tsy manan-tsiny ihany koa.
Toky R

 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

Raikitra ny fanapahan-dalana nanomboka omaly ho an’ny eto Antananarivo renivohitra

Card image cap
19-juin-2025

Lehilahy iray no namoy ny ainy teo noho eo voahitsaky ny fiaran-dalamby

Card image cap