airtel

Fifamoivoizana

12-déc-2022

Fifamoivoizana

Loza nahafaty olona tany Antsohihy Nidoboka am-ponja ilay tompon’andraikitra ambony

Sample post image

Nampidirina am-ponja vonjimaika ao Antsohihy omaly 11 desambra 2022, tamin'ny 1ora maraina ny tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Faritra Sofia izay voalaza ho nandona sy namono nahafaty zanaky ny faritra

12-déc-2022

Antsohihy tao amin'ny vakiparitra Ambendrana Antsohihy, hoy ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana. Raha ny didim-pitsarana nivoaka dia heloka noho ny fitsoahana rehefa nahavanon-doza tsy niniana natao na « délit de fuite avec accident involontaire » no hiampangana ity tompon’andraikitra ambony ity. Misaotra ny fitsarana manao ny asany, hoy ny ekipan'ny Menamaso ambony latabatra, izay fikambanana ao amin'ny faritra Sofia, ary arahanay maso akaiky ity raharaha ity. Fampidirana am-ponja vonjimaika na MD 8 volana moa no hampiharina amin’ity tompon’andraikitra ity, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap