airtel

Fifamoivoizana

31-août-2026

LOZA TANY AMIN'NY RN2

Raim-pianakaviana 60

Sample post image

taona maty nianjeran'ny kaontenera

31-août-2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tany Andranomamy, 3 km tsy hidirana ao Ranomafana, distrikan'i Brickaville lalam-pirenena faharoa ny faran'ny herinandro teo. Raim-pianakaviana iray 60 taona antsoina hoe : Rabotohavana Florent Hilaire izay mpiara-miasa akaiky amin'ny depiote-n'i Brickaville sady mpiasa tao amin'ny Fari-piadidiam-pampianaran'i Brickaville teo aloha no maty nianjeran'ny kaontenera nentina kamiao iray nandalo. Nitondra entana milanja 16 taonina io kaontenera io. Ratompokolahy kosa nitondra moto handeha hamonjy fivoriam-pianakaviana. Raha araka ny vaovao voaray dia votsitra ilay vy nihazona ilay kaontenera antony nahatonga ilay kamiao nahafaty olona tahaka izao. Efa nisy moa ny fepetra noraisin'ireo mpitandro ny filaminana any amin'iny lalam-pirenena faharoa iny mikasika ireo kamiao mitondra kaontenera mandalo any amin'iny faritra iny. Tsy vao sambany rahateo no nisy tranga tahaka izao tany amin'iny lalana iny. Miantso ny fandraisan'andraikitry ny tompon'andraikitra mahefa ireo mpampiasa lalana mba hametraka fepetra hentitra sy hampihatra ny lalana velona mifandraika amin'izany. Alevina anio Alatsinainy 31 Aogositra ny razana.
Pati
Légende : Tahaka izao no nanindrian'ilay contenaire ilay moto !
 

Dans la même rubrique