Nitrangana lozam-pifampivoizana mahatsiravina teny amin'ny Autoroute, lalam-baovao avy eny Ambohimangarova mivoaka eny Tsarasaotra Ivato, ny faran'ny herinandro teo. Kamiao na fiara lehibe mpitatitra irony biriky sy fasika irony no voalaza ho nandeha mafy sy nanana olana ara-teknika ka olona miisa 3 no naratra mafy. Raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso dia nisy olona roa tafavoaka ny fitaratra aloha na ny (pare-brise) mihitsy vokatr'izany. Efa nentina namonjy ny Hopitaly moa ireto farany nanaraka ny fitsaboana sahaza azy. Tsiahivina fa lasa toerana malaza ny misy ny Autoroute amin'izao. Lasa toerana fitsangatsanganana sy fialan'ny olona voly eny rehefa faran'ny herinandro. Tafiditra ao anatin'izany ny fandehanana mafy amin'ny fiara sy moto indrindra moa rehefa mahazohazo kely ny mpamily.
Nangonin'i Pati
Légende : Ity ilay fiara nanmoa-doza