airtel

Fifamoivoizana

13-mars-2026

Lozam-pifamoivoizana

Azo sorohana raha samy manaja ny lalàna

Sample post image

Nanentana, nampianatra, nanabe ireo

13-mars-2026

mpampiasa lalana eny amin’ny Rocade iarivo ny ekipan’ny zandarimariam-pirenena nanomboka omaly. Be loatra ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ity lalambe ity ka tsy maintsy noraisina izao fepetra izao , tsy teny ihany fa amin’ireo lalam-baovao izay midadasika eto Antananarivo. Nisy tamin’ireo mponina no nitokona fa hoe tandindonin-doza isan’andro izy ireo, nangatahana ny hoe faritra manokana iampina’ny mpandeha an-tongotra, izany hoe arabe misy marika miloko fotsy na tetezana miantona tahaka ny etsy Anosibe sy Paraky Soanierana.
LALANA TSY NATAO HANDEHANANA MIADANA
Natao ny fanentanana satria misy tokoa ny tsara ho fantatra, ny lalana tahaka ny hoe boulevard de l’europe, Rocade Iarivo, Route digue, By pass dia tsy hoe mandeha midoladola, mandeha mora ny fiara.Natao mihitsy ireny lalana ireny (tahaka ny autoroute) mba ahafahan’ny fiara mandeha haingana, tsy hoe mitrifana na mifanenjika manao rallye koa anefa. Izay zavatra izay no mila ampahafantarina tsara ny mponina.Manarak’izany tena marina ilay hoe asiana faritra voatokana iampitan’ireo mpandeha an-tongotra misy tsipika matevina miloko fotsy hitan’ny mpampiasa lalana rehetra. Ka eo no miampita fa tsy hoe samy miampita arabe amin’izay tiany. Manaraka izay ireo bisikileta izay tsy aharaka mihitsy ny hafainganam-pandehan’ny moto sy ny fiara dia mila manaja tsara ny lalana mifehy ny fifamoivoizana ; raha ny tena marina moa dia lalan-kely mitokana amin’ny sisin’ny arabe manakaiky ny trottoir no tokony handehanan’ny bisikileta fa tsy hoe milahatra aminny fiara anaty arabe, saingy tsy misy izany ny ankamaroan’ny arabe eto Madagasikara moa.
FANENTANANA
Noho izany ny fanentanana no mila atao mafy be ka atao matetika mihitsy, eny mety isan’andro aza mandra-pahazatra ny olona ny amin’ny azo atao sy ny tsy azo atao rehefa mampiasa lalana. Tsy hoe rehefa misy maratra na maty vao atao ny fanentanana fa atao isan’andro, izay ilay fanabeazana ny olom-pirenena. Tsy voatery mahay ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana avokoa ny rehetra fa anjaran’ny fanjakana no mampatsiahy sy manabe. Mianatra , mifanampy rehefa tsy mahay na tsy mahalala fa tsy hoe samy manao izay tiany. Manaja lalàna vao mandroso fa tsy hoe rehefa mandroso vao manaja lalàna.
RTT
 

Dans la même rubrique