airtel

Fifamoivoizana

16-juin-2021

Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana - By Pass Tsy nety nentina tany amin’ny hopitaly ilay naratra

Sample post image

Ela ny ela fa ilay olona naratra mafy indray no tsy nety nentina teny amin’ny hopitaly rehefa tsy nandositra no sady nanana fandavan-tena ny hanao izany ilay

16-juin-2021

 

 

 mpamily. Io no zava-nitranga teny amin’ny By pass afak’omaly tokony ho tamin’ny 02 ora sy sasany. Bisikileta iray avy any aoriana nandeha mafy no nisongona fiara 307 break iray teo aloha ka tafasaoty teny amin’ny parabrise vao nihakapoka tamin’ny tany. Vaky vokatr’izany ny lohan’ilay lehilahy nitondra bisikileta saingy mbola afa-nitsangana ihany izy. Rehefa nampidirina tao anatin’ilay fiara nandona azy ny lehilahy nandritra izany dia nisaoty avy eny amin’ny varavarankely indray ka voatery niantso ny mpitandro ny filaminana ilay mpamily. Anisan’ny tena tebitebin’ireo nanatri-maso moa ny mety hamohizan’ity lehilahy nitondra bisikileta ity tampoka ny ainyamin’ny tsy hampoizina noho ny dona mafy nahazo azy. Lehilahy iray nitondra bisikileta ihany koa omaly folakandro no nodomina fiara karetsaka tetsy Anosibe ka saika tsy afa-nitsangana.

Pati 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap