airtel

Fifamoivoizana

27-août-2026

Lozam-pifamoivoizana

mahatsiravina

Sample post image

3 maty ary maro naratra tamin’ny toerana 3 samihafa omaly

27-août-2026

Nisehoana lozam-pifamoivoizana namoizana ain'olona teo anelanelan’i Antanambao sy Ambohipeno, Kaominina Ambanivohitra Ambatolampy, Distrikan’i Tsiroanomandidy, ny marainan’ny omaly, tokony ho tamin'ny 1 ora, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Sprinter iray no nifatratra tamina kamiao miisa 2. Iry voalohany izay nitondra mpandeha hiakatra ho aty Antananarivo. Tombanana ho ny hafaingànam-pandeha mafy loatra no nahatonga ity fiara mpitatitra ity tsy nahatàna ny familiana ka nahatonga azy nifatratra tamin'ireo fiarabe anankiroa. Olona iray no namoy ny ainy vokatr’izany. Olona miisa 14 hafa kosa no naratra. Omaly maraina ihany, fiara 4×4 iray indray no nivoaka ny lalana teny amin’ny lalam-baovao Ambohitrimanjaka omaly, latsaka tany anaty rano. Raha ny fantatra dia vehivavy iray no namoy ny ainy, olona telo hafa kosa no naratra izay efa nentina namonjy toeram-pitsaboana. Omaly efa diva ho alina ihany, tovovavy iray nandeha moto moto scooter (RS) no maty tsy tra-drano, nanao « face à face » tamin'ny kamio, teny amin'ny By pass aloha kelin’ny Yandy By Pass. Efa nalefa tany amin'ny Hôpitaly ny razana. Nirina no anarany ary avy eny Anosimpatrana izy, hoy ny filazam-baovao vonjimaika. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankavian’ireo namoy ny ainy.
J. Mirija/Toky R

 

Dans la même rubrique

27-août-2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana omaly

Card image cap
26-août-2026

Mizotra tsara hatreto ny asa

Card image cap