airtel

Fifamoivoizana

11-mai-2022

Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana Misy fampianarana sy fanentanana goavana mila atao

Sample post image

Moto miisa 4 tamin'ny 5 tao anatin'ny herinandron'ny 2 hatramin'ny 8 mey no nahafatesana olona hoy ny borigady misahana ny lozam-pifamoivoizana na “Brigade des Accidents”.

11-mai-2022

Ireo antony mahatonga loza, araka ny fahitan’ity borigady ity azy dia noho ny tsy fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, fandehanana mafy loatra, tsy fanajana ny "priorité", ny fisongonana avy any amin'ny ankavanana, ny fitondrana moto tsy misy fahazoan-dalana, hoy hatrany ny tatitra. Mety mbola misy antony hafa. Misy zavatra tokony atao fa tsy mijanona amin’ny fitaterana loza na fampahatsiahivana ny lalàna fotsiny. Fampianarana, fanabeazana, fanentanana, miditra amin’ny fanasaziana. Tokony karohina ny fomba rehetra hahatonga saina ny mpampiasa lalana tsy an-kanavaka fa tsy maintsy misy fitsipika mandamina io resaka fifamezivezena sy fifamoivoizana io fa tsy hoe maika dia samy manao izay saim-pantany. Resaka soa iombonana ihany koa io, fa raha samy maka ho azy dia hitombo isa foana ny maty eto, hoy koa ireo soso-kevitry ny olom-pirenena.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap