airtel

Fifamoivoizana

15-mai-2025

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA NAMOIZANA AIN'OLONA

Hiakatra Fitsarana anio i Kiady, mpilalao sary mihetsika

Sample post image

Hiakatra Fitsarana anio Alakamisy 15 Jona i Kiady ilay mpilalao sary mihetsika,

15-mai-2025

fantatry ny maro amin’ilay tantara nampihetsi-po mitondra ny lohanteny hoe : Diary. Raha tsiahivina kely dia nandona kodiaran-droa teny Anosimasina Itaosy, distrikan’Atsimondrano ny fiara nentin’ny tovolahy ny 10 May lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina. Maty ny ampitson’iny izany hoe : ny andron’ny Alahady 11 May ilay Ramatoa nitaingina ity kodiaran-droa ity raha naratra mafy kosa ilay lehilahy nitondra azy. Notsiahivin’ny mpisolovava azy moa hoy ny vaovao fa ny alina taorian’ny nitrangan’ny loza dia efa voatazona natao andrimaso teny anivon’ny mpitandro ny filaminana i Kiady. Mbola voatazona tao ny tenany hatramin’ny omaly nahazoanay ny vaovao raha nogiazana ihany koa ny findainy sy ny fiarany. Tsy marina hoy izy ny vaovao niely tamin’ny tambajotran-tserasera Facebook fa efa nivoaka mirihariha eny anivon’ny fiaraha-monina i Kiady.
Nangonin’i Pati
Legende : I Kiady sy ilay fiara nentiny izay potika tanteraka ny lohany !
 

Dans la même rubrique

02-juil-2025

an’Antananarivo no vahaolan’ny fitohanana»

Card image cap
02-juil-2025

Nisy fidinany 200 Ar isaky ny litatra ny vidi-tsolika nanomboka omaly 1 jolay 2025.

Card image cap
02-juil-2025

Tsy hamaha ny olana eto Antananarivo, raha fifamoivoizana no resahina,

Card image cap
02-juil-2025

Nodimandry omaly i na Sambehafa Tahiry na i Samba Mikaroka

Card image cap