airtel

Fifamoivoizana

07-juil-2022

Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana Olona indray 3 maty teny Ampitatafika

Sample post image

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina omaly maraina tokony ho tamin’ny 08 ora sy 45 minitra teny Antanimenabe Ampitatafika.

07-juil-2022

Fiara Sprinter voalaza fa taxibe an’Imerintsiatosika feno mpandeha avy any amin’ny tobim-piantsonana Anosibe no nivadika ambony ambany tampoka rehefa niala kodiaran-droa iray ka mpandeha tsy manan-tsiny roa nipetraka taorian’ilay mpamily no fantatra fa namoy ny ainy. Raha araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso dia nisy bisikileta iray avy any Fenoarivo ihany koa no lasibatra tamin’izany. Rehefa niala ilay moto nivoaka avy any amin’ny tanimenabe mantsy ilay mpamily hoy hatrany ireo nahita ny zava-nitranga dia nifatratra tany amin’ilay bisikileta ka nivadika. Raha araka ny fantatra dia namoy ny ainy ihany koa ilay mpitondra bisikileta. Nisy ihany koa moa ireo naratra. Ilana fitandremana ny trangan-javatra tahaka itony indrindra fa ho an’ireo mpamily zatra mandeha mafy rehefa mahazo lalana malalaka. Mety misy hatrany mantsy ny trangan-javatra tsy hampoizina miseho eny an-dalana, antony handehanana mora ho fiarovana ny ain’ny tena sy ny ain’ny hafa.
Pati

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap
23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap