airtel

Fifamoivoizana

06-mars-2024

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA RN 2

Taksibrosy iray nivadika, olona 4 naratra

Sample post image

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tany amin’ny distrikan’i Manjakandriana,

06-mars-2024

lalam-pirenena faharoa omaly folakandro. Fiara taxi-brousse iray ho any Toamasina raha niainga avy eto Antananarivo no tra-doza ka olona miisa 4 no naratra. Ny iray amin’ireto farany no fantatra fa tena voamafy hoy ny vaovao, tranga niseho 7 km niala teo Manjakandriana. Efa nentina notsaboina ao Manjakandriana avokoa moa ireo ny tsy naratra. Raha araka ny fantatra dia vokatry ny olana ara-teknika nahazo ilay fiara no nahatonga ny loza. Nanampy trotraka izany ny halaman’ny lalana vokatry ny ora-mikija , antony nampivadika azy. Tsiahivina moa fa mahatratra 10 isan’andro ireo olona mamoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika raha tsy lazaina intsony ireo maratra. Ankoatra ny tsy fitandreman’ny mpamily dia anisan’ny antony mahatonga izany ny olana ara-teknika mety mahazo ilay fiara.
Pati
Legende : Nivadika tahaka izao ilay fiara taxi-brousse !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mirongatra sy mahazo vahana ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.

Card image cap
15-mai-2024

Tranga roa samihafa no niseho teto amintsika Omaly Talata 14 May mikasika ny tsy fanarahan-dalana

Card image cap
14-mai-2024

vao ny atoandro no nisy fiara nifandona tamin’ny kodiaran-droa na «moto»

Card image cap