airtel

Fifamoivoizana

11-mai-2022

Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivozana tany Bealanana Im-polo nivadika vao lasa tanaty hantsana ilay fiarabe

Sample post image

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tany Bealanana omaly folakandro. Fiara lehibe iray no nianjera tany anaty hantsana ‚ teo amin’ny fiakarana ( dilana ) hiazo an’i Marolambo ‚

11-mai-2022

lalana mihazo ny kaominina Ambatoriha Est. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia lehilahy iray mpila ravinahitra voalaza ho avy eto Antananarivo no fantatra fa namoy ny ainy tamin’izany . Potika tanteraka tsy nisy azo noraisina kosa ilay kamiao nitondra entana. Im-polo nivadika mantsy ity kamia ity ka ilay fanim-pitony no nahalatsaka azy tany anaty hantsana sy nahavotsindry ilay lehilahy iray izay fantatra fa mpamily faharoa. Nahatratra 12 taonina rahateo ny entana nentin’ilay fiarabe raha tombanana ho 8 taonina kosa ny lanjan’ilay fiara izay mahatratra 20 taonina raha hatontaly. Raha araka ny fanazavan’ilay mpaily iray dia nandeha niakatra fiakarana tamin’ny vitesse 2ème izy saingy tsy tody hatramin’ny farany. Nampiditra vitesse 1ère indray izy taorian’izany fa tsy tafiditra ka nihemotra ilay fiara . Nitsahina ny tsindry hisatra hoy hatrany izy fa tsy nijanona ilay fiara. Efa nidina nanao kaly ihany mba hanohanana azy ny panera saingy tsy tana fa nianjera tany anaty hantsana ilay fiara ary im-polo nivadika vao nijanona . Fahadimin’izy nivadika no tafavoaka ny tenako hoy hatrany ilay mpamily iray ary fahafiton'izy nivadika kosa vao tafavoaka ilay mpamily faharoa kanefa voatsindrin’ny fiara tao indray ka maty tsy tra-drano. Efa 15 taona ny nitondra fiara lehibe tahaka izao moa ity mpamily tra-doza ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao no nihafaran’ilay fiara lehibe sy ilay mpamily iray namoy ny ainy
 

 

Dans la même rubrique