airtel

Fifamoivoizana

11-nov-2021

Fifamoivoizana

Madagascar Airlines Hiasa afaka 4 volana ilay Airbus A340 namboarina

Sample post image

Nanamafy ny Minisitry ny fitaterana Tinoka Roberto omaly, fa efa niasa nanomboka ny nahatongavan’ny Filoha ny 7 novambra lasa teo ny Kaompania Madagascar Airlines,

11-nov-2021

izay ny fahazoan-dàlan’ny Air Madagascar aloha no ampiasainy. Nambarany fa fotoana tsy maharitra ny fanofana ny fiaramanidina hafa, fa eo am-panamboarana ny Airbus A340 iray isika ka 3 volana eo ny faharetan’io, izay tsy misy maotera intsony. Nanaiky hamatsy vola 5 tapitrisa dolara ahafahana manao izany ny Fanjakana, raha ny fanazavana. Ankoatra ny 3 volana hanamboarana io fiaramanidina nampidi-kizo tamin’ny tetezamita io, dia iray volana eo ihany koa ny fanofanana ireo ekipazy sy mpiasa Malagasy hiantsoroka ny fampandehanana azy, ka ao anatin’ny 4 volana izany ny fitambarany ahafahan’io fiaramanidina io sy ny mpiasa hiantsoroka azy ho vonona tanteraka sy hiasa eo anivon’ny Madagascar Airlines, raha ny fanazavan’ny minisitra. Marihina fa ny fiaramanidina Dreamliner any Kaompania Air Europa no ampisaintsika amin’ny sidina lavitra avy any Eoropa hatreto. Raha ny fanazavana efa nentin-dRtoa Rina Rakotomanga moa, dia manodidina ny 5500-6500euros isan’ora eo no hanofantsika fiaramanidina. Nambaran'ity Minisitry ny Fitaterana sy famantarana ny toetra'andro ity ihany koa moa fa hezahina hahena hatramin'ny 30% ny vidiny tapakilan’ny fiaramanidina na “billet d'avion” amin'ny sidina rehetra eto an-toerana. Nanamafy ny Minisitra Tinoka Roberto omaly tsy maintsy hahena ny mpiasa. Misy ilay “mutation technologique”, misy “digitalisation”, mety misy fampihenana tombotsoa,… ka anton’izany ny mba ahafahan’ny orinasa miaina. Tsiahivina fa bokan-trosa hatrany amin’ny 72 tapitrisa dolara ny Air Madagascar, ka nahatonga ny Fanjakana hiditra amin’ny fametrahana ny raharaha ho eo am-pelantanan’ny tribonaly ara-barotra eo anatrehan’ny tsindry misy. Isan’ny tompon’antoka tamin’ny fahapotehan’ny Kaompaniam-pirenena ny Fitondrana ankehitriny.
Toky R
 

Dans la même rubrique