airtel

Fifamoivoizana

25-mars-2022

Fifamoivoizana

Maharidaza Manjakandriana Namono zaza menavava ilay taksibrosy

Sample post image

Zaza menavava iray vao 1 volana sy 22 andro monja no fantatra fa maty voadonan'ny taksibrosy teny an-tanan-dReniny ny talata maraina teo tokony ho tamin'ny 10:15, tao Maharidaza, distrikan'i Manjakandriana,

25-mars-2022

 lalam-pirenena faharoa. Fiara Sprinter avy aty Antananarivo hiazo an’i Moramanga no nandehanan’izy mianaka. Nampidin'olona teo Maharidaza ilay fiara, ka nandritra izany no nahavoadona ilay zaza teny an-tanan-dreniny.Nipitika mihitsy ilay tsy manan-tsiny ka naratra mafy rehefa niakapoka tamin’ny tany. Nandositra moa ilay taxibrosy raha nentina tao amin’ny CSB II Carion, nalefa tao amin’ny CHRD Manjakandriana ary nakarina tao amin’ny hopitaly HJRA ilay zazakely ho fanavotana ny ainy. Indrisy anefa fa tsy tana foana ny ainy. Afak’omaly Alarobia tokony ho tamin'ny 7:30 maraina moa no voasakana tao Carion, ilay fiara nandona ilay zaza raha iny nizotra ho aty Antananarivo iny. Natao famotorana ilay mpamily araka izany ary hatolotra ny fampanoavana anio raha naiditra am-balam-pamonjana 10 andro kosa ilay fiara.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay mpamily namono dia nitsoaka saingy tratra ihany
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap
22-avril-2024

Tombanana ho vita amin’ny taona 2025 ny lalana mirefy 75, 838km mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Vahibe,

Card image cap