airtel

Fifamoivoizana

12-nov-2021

Fifamoivoizana

Mahitsy Hovita tsy ho ela ny “lalan’ny atody”

Sample post image

Ao anatin'ny tena famaranana ny asa fanamboarana ny lalan’ny atody ao Mahitsy tanteraka ankehitriny ny orinasa misahana izany.

12-nov-2021

Mirefy 20 kilometatra io lalana io raha tsiahivina izay mampitohy ny Kaominina Mahitsy, Ampanotokana sy Mahazaza samy ao anatin’ny Distrikan'Ambohidratrimo.Nidina ifotony teny an-toerana, omaly 11 novambra, ny Minisitry ny Asa Vaventy, Jerry Hatrefindrazana, sy ny mpiara-miasa aminy, ankilany, niaraka tamin'ny Masoivohon'i Chine miasa eto Madagasikara, GUO Xiaomei, sy ireo mpanolo-tsainany, miaraka aminy. Mialohan'ny handraisana vonjimaika ny asa dia nampatsiahy Andriamatoa Minisitra ny hamitana araka ny tokony ho izy ireo kipitsopitsony rehetra toy ny fametahana "panneaux de signalisation" sy ny "marquage au sol", ny fanamafisana ny "protection des remblais". Nanamafy kosa ny Masoivohon'i Chine ny mbola hitohizan'izany fiaraha-miasa izany ary nilaza izy ny hijerevan'ny matihanina Sinoa ity asa ity mialohan'ny handraisana azy vonjimaika.
Pati
Legende : Tahaka izao ilay lalana
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap