airtel

Fifamoivoizana

15-avril-2024

Malaza Andoharanofotsy

Fiara nipotsaka hisatra nandona zaza iray

Sample post image

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny Andoharanofotsy Atsimondrano,

15-avril-2024

ampitan’ny hopitaly CSB II omaly Alahady hariva tokony ho tamin’ny 05 ora tany ho any. Fiara mpitatitra entana iray no fantatra fa nipotsaka hisatra rehefa nidina an’ i Malaza ka nandona zaza iray. Raha araka ny vaovao azo teo am-panoratana omaly hariva moa dia mbola velon'aina soa aman-tsara ilay zaza ary efa nentina namonjy ny toeram-pitsaboana. Ilay fiara mpitatitra entana kosa tetsy an-daniny nifatratra tamin’ny tranon’olona vao nijanona ka nisy fahasimbany. Simba tanteraka ihany koa ilay trano izay voalaza fa tsy nisy olona tao anatiny. Tsiahivina moa fa vokatry ny olana ara-teknika mahazo ny fiara ny 80%-n’ny tranga tahaka izao raha avy amin’ny mpamily ny 20%.
Pati
Legende : Tahaka izao ilay trano nifatraran’ilay fiara fitateram-bahoaka !

 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto

Card image cap
22-mai-2025

Nifampitadiavana ny vatana sy lohan’ilay mpandeha an-tongotra

Card image cap