airtel

Fifamoivoizana

29-nov-2021

Fifamoivoizana

Mampikolay indray ny RN44 Niakatra ny saran-dàlana ny taksibrosin’Ambato

Sample post image

Mampikolay indray ny làlam-pirenena faha-44 miazo an’Ambatondrazaka amin’izao fotoana izao satria mamotaka tanteraka. Misy ny ampahany efa namboarina,

29-nov-2021

 fa misy no avy vovoka tsy nifankahitana no tratry ny orana, ka lasa fotaka mandrevo sy malama amin’ny ampahany Amboasary-Vohidiala. Nampiakatra saran-dàlana ny ankamaroan’ny taksibrosy Antananarivo-Ambatondrazaka, ka raha mbola 20 000Ar izany ny sabotsy lasa teo, dia niakatra ho 25 000Ar omaly alahady satria milaza izy ireo, fa betsaka ny fiara tsy mandeha noho ny haratsin’ny làlana. Ny oktobra 2020 raha tany Ambatondrazaka ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, dia nilaza fa efa manomboka ny tapany faharoa amin'ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-44 mampitohy an’Amboasary sy Vohidiala izay mirefy 73 km. Nandritra ny fidinana ifotony nataony tany an-toerana dia nitaky tamin'ny orinasa misahana ny fanamboarana ny hanajana ny kalitaon’ny asa mba haharitra sy ho lovain-jafy izy. Ho vita tanteraka amin’ny taona 2021 ny asa rehetra, hoy ny nambara tamin’izany, ka tamin’ny 12 oktobra 2020 no nanomboka ny asa, ary tokony ho vita tamin’ny 12 oktobra 2022. Ny orinasa Sinoa China Road and Bridge Corporation (CRBC) moa no miandraikitra ny fanamboarana. Efa 29 novambra 2021 isika izao ka asa hoe: izay tokoa ve no fisehony? Ny 17 oktobra lasa teo indray, nanome toromarika vaovao hanafainganana ny asa (PK 60+000 hatramin’ny PK 133+000) mampitohy an'i Amboasary sy Vohidiala io ny minisitry ny Asa vaventy Hatrefindrazana Jerry noho ny fahataran’ny asa. Nambaran’ny tomponandraikitry ny orinasa fa mbola an-dalana ny fitaovana sasany, ka izany no maha tara ny asa. Nomena fe-potoana 1 volana sy tapany (45 andro) ny orinasa, ijerena ny fanafainganany ny asa, hanarenana ny fotoana very; ary hiverina any an-toerana ny minisitra aorian’izany. Hojerena ao anatin’io fe-potoana nomena io ny fahamarinany sy ny fivoaran’ny asa, ahafahana manatratra ara-potoana ny fahavitan’ity RN44 ity, izay tafiditra anatin’ny veliranon’ny ny filoha Andry Rajoelina, hoy ny fampanantenana. Efa ho dila ny 45 andro, nirotsaka ny orana,… dia io iaraha-mahita io ny vokany hatreto.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap
23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap