airtel

Fifamoivoizana

04-nov-2021

Fifamoivoizana

Manakambola Ambatondrazaka Manahirana sahady ny rano miakatra

Sample post image

Taorian’ny firotsahan’ny orana tany an-toerana omaly tolakandro dia efa manahirana ireo fiarakodia, indrindra, ireo mpandeha tongotra sy mpampiasa iny lalana manjohy ny eo amin'ny "radier" Manakambola,

04-nov-2021

 Ambatondrazaka sy ny manodidina iny, sahady ny rano miakatra, raha ny fampitam-baovao voaray. Raha ny hita hatramin’izay aza dia mahazaka irony fiarabe “sprinter” irony mihitsy ny fiakaran’ny rano eo amin’ity toerana ity rehefa tena fahavaratra. Vahaolana isan’ny nisy nanatsidika manoloana ity tranga ity ny fampiakarana mihitsy ny haavon'ny arabe. Isan’ny hita ho mila irony lala-mikodana na “autoroute” irony io mankany Ambatondrazaka io ary tena mila ilay mitingitingina ireny mihitsy, hoy hatrany ny tolo-kevitra miampy vazivazy zaritenany hoe Flyover an-jatony kilaometatra. Asa ny amin’izao fa taloha rehefa mandeha ho any Ambatondrazaka fahavaratra dia manala irony fanivanana rivotra na “filtre a air” irony ny fiara rehefa tonga eo Mandrota. Tafiditry ny rano avy hatrany raha fiara Mazda. Mila vonoina mihitsy ny maotera dia atosika ny fiara. Andrasana indray, araka izany, izay ho henoin’ny fitondram-panjakana sy ho tanterahany amin’izany sosokevitra voalaza rehetra teo izany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique