airtel

Fifamoivoizana

17-août-2021

Fifamoivoizana

Manamafy ny fitakiany ny Taxi eto Iarivo “Maty izahay mpanara-dalàna amin’ny taxi-moto”

Sample post image

Taorian’ny hetsika teny amin’ny Toby fiantsonana Maki Andohatapenaka ny sabotsy lasa teo, nitohy omaly ny fanangonan-tsonia nataon’ireo taxi na fiarakaretsaka eto Antananarivo Renivohitra,

17-août-2021

 izay manao antso avo amin’ny hanafoanana ny taxi-moto. Tondroin’izy ireo ho manimba sy mamotika ny asany ny fisian’ny Taxi-moto eto Antananarivo, ary manamafy taxi fa tsy ara-dalàna izy ireo. Ny faran’ny herinandro lasa teo, efa 1500 ny Sonia voaangona. Tsy mandoa hetra, tsy misy “carte grise”, tsy manana “licence”,… ny taxi-moto, ary misy aza ny jiolahy, hoy ny ankilany. Adihevitra goavana moa ny momba ity endri-pitaterana vaovao miha mahazo laka eto Antananarivo ity. Efa maro ny manana moto eto an-dRenivohitra, ary misy ireo mampiasa izany hatao fitadiavam-bola. Raha ampitahaina amin’ny taxi, azo lazaina ho mora kokoa, kanefa haingana kokoa ihany koa. Raha saran-dàlana 12 000Ar amin’ny taxi, mety ho vita 7000Ar aminy, raha 20 000Ar mety ho lasa 10 000Ar,... hany ka misy tokoa ny olona resy lahatra satria sady maika no mora kokoa. Tsy mbola nisy kosa ny fanekena ofisialy azy io ho ara-dalàna sy afaka miasa eto Antananarivo. Tsy fitanilàna any amin’ny Taxi, ary tsy manohitra be fahatany ireo maneho hoe: aleo izy ireo hiasa fa mahavonjy amin’ny fotoan-tsarotra, io mba mora,… Mila mandinika sy mijery ihany koa anefa ny rehetra hoe: ny ankilany fesina amin’ny fandoavan-ketra sy vola pitsopitsony amin’ny kaominina, izay fandraisana anjara biriky amin’ny fampandrosoana, ny andaniny tazanim-potsiny sy manimba ny asan’ireo ara-dalàna amin’ny alalan’ny fifaninana tsy ara-dalàna na “concurrence déloyale”. Aiza intsony moa izany ny Taxi no hahita vola handoavana hetra sy handoavana ny saran’ny “licence” ampiasainy raha ho lasan’ny taxi-moto ny mpanjifa tokony ho azy? Lojika isika raha tsy mandroso satria zatra loatra miaina amin’ny gaboraraka. Tsy resaka Taxi sy Taxi-moto ihany no ahitana an’io sy afaka hanokafana adihevitra fa isan’izany ohatra ilay resaka “vente en ligne” sy ny maro hafa. Eto toa ny manara-dalàna ihany no poretina, fa ny gaboraraka toa tazanim-potsiny.

Toky R


 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap