airtel

Fifamoivoizana

27-mars-2023

Fifamoivoizana

Mandraka – RN2 Fiara be nivadika, nanapaka ny fifamoivoizana

Sample post image

Nanapaka tanteraka ny fifamoivoizana teny amin’ny RN2 eny Mandraka indray ilay fiara « camion »

27-mars-2023

lehibe iray izay nivadika ny sabotsy 25 martsa 2023 lasa teo, tokony ho tamin’ny 8 ora maraina teo ho eo. Lasa mateti-pitranga eny amin’iny lalam-pirenena iny mihitsy matetika ny fivadihana fiara lehibe toy izao. Faninadroany tao anatin’iny herinandro iny izay no nisy tranga tahaka izao teny amin’ny lalan’ny Mandraka. Mampitaraina ny maro izay mampiasy an’iny lalam-pirenena iny izany satria mafy tokoa ny mahazo azy ireo. Ratsy sy malama ny lalana ka izay no mahatonga izao fivadihana fiara miteraka fitohanana izao, raha ny nambaran’ny olona iray izay naneho hevitra manoloana izao ny zavamisy. Nilaza ireto farany fa ny haratsin’ny lalana no mahatonga ny lozam-pifamoivoizana eny. Miteraka fatiantoka ho azy ireo ny fahasimban’ny fiara vaventy ny lalana ratsy. Taraiky ihany koa ny fotoana ahavitana ny entana izay mbola miteraka fatiantoka hatrany raha ny namafisin’ny SCPM na ny fivondronan’ny mpitondra « camion » eto Madagasikara andro vitsy lasa izay.
Princy Lucas
 

Dans la même rubrique