mifoha ny olana sy fanatsikafonana ireo tsy fanjariana maro samihafa eo anivon’ny Orinasam-piantoana MAMA na ny « Mutuelle d’Assurance Malagasy ». Olana tsy vao izao, fa hatry ny ela, ka taorian’ny fiovan’ny Fitondrana, dia nisy hatramin’ny fihaonanan sy antso avo hatrany amin’ny Fanjakana tampony tamin’ny alalan’ny Filohan’ny Fiadidian’ny fanavaozana ny Repoblika nataon’ireo mpitatitra sy ireo mpiasan’ny MAMA niharan’ny antsojay sy ny fandroahana ara-dalàna. Niverina nandefa taratasy teo anivon’ny Faritra Analamanga ireo mpitatitra noho ity rafitra ity, ka tonga nisolo tena ny Fanjakana niazo ny Foiben’ny MAMA tetsy Ambalavao Isotry ny Lehiben’ny Faritra Analamanga Rtoa Clémence Raharinirina sy ireo mpitatitra (nasionaly, rejionaly, urbaine, suburbaine, taxi, taxi-moto,…) sy ireo mpikambana omaly, nampahafantatra niaraka tamin’ny vadin-tany ny fanapahan-kevitra efa noraisina, saingy tsy nivoaka moa ireo mpitantana ny MAMA. « « Mutuelle » ny orinasa MAMA, ka ny mpitatitra no tompony, tokony handidy sy hanapaka kanefa ny zava-nisy tao anatin’ny taona maro. Natao tantely afa-drakotra, tsy ireo lazaina fa tompony no mibodo ny toerana eo amin’ny fitantanana ny orinasa. Ny mpitatitra no tokony ho mpikamban’ny filankevi-vitantanana, kanefa tamin’ny fifidianana dia vitsy ihany no mpitatitra, fa nisy ny nilatsaka avy any tsy hita tany ka lasa Filankevi-pitantanana na CA sy Filohan’ny Filankevi-pitantanana na PCA », hoy ny Lehiben’ny Faritra Analamanga. Nahitsy ny Lehiben’ny Faritra Analamanga nilaza fa lasa fangalana vola sy fitangosana vola fa tsy fanomezana fahafaham-po ka tsy misy mihitsy ny tamberin’andraikitra tokony hositrahan’ireo mpandoa fiantohana, ka mila fanavaozana. Nampahafantarina fa efa misy ny Firaketana an-tsoratra na « PV » ny 15 desambra 2025 teo, niarahan’ny CSBF (Commission de Supervision Bancaire et Financière) izay vaomiera manara-maso ny banky sy ny tontolon’ny ara-bola, Fiadidian’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny mpitatitra, ny MAMA, ny BFM na ny Banky Foiben’i Madagasikara. Tamin’izany no efa nisy anarana natolotry ny mpitatitra izay tompon’ny orinasa. Rehefa nivory dia nanapa-kevitra, nandroso vahaolana hahafahana miroso amin’ny fifidianana satria efa tapitra rahateo ny fe-potoana iasan’ny filankevi-pitantanana. Tapaka tao anatin’io fa Atoa Rado Andriamamonjisoa izay mpiasa ihany no apetraka ho « Commissaire de Redressement » eo anivon’ny MAMA satria ilaina ny fanarenana sy fanavaozana, betsaka ny zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny. Tsy notanterahana anefa ny fanapahan-kevitra, ireo mpiasa noroahana tsy ara-dalàna very asa, tonga hatramin’ny fampihorohoroana,… Nianiana nafenina sy tsy nolazaina teo amin’ny MAMA io, ary isan’ny nanana andraikitra amin’ny fanatanterahana azy ny CSBF raha ny fanamarihana saingy mahagaga ny tsy nanatanterahana izany kanefa na ny Filankevi-pitantanana eo anivon’ny MAMA aza ihany koa aza efa tapitra ny fotoam-piasana. Andrasana ny tohiny !
Toky R
Ela tsy nisy vahaolana, araraotin'ny fitaterana hanaovana gaboraraka