airtel

Fifamoivoizana

15-juil-2022

Fifamoivoizana

Manome herinandro ny TAXI “Tsy handoa hetra intsony izahay raha…”

Sample post image

Nanao fanambarana ary nanome fe-potoana ny Fanjakana sy ny kaominina Antananarivo hanafoana ny taxi-moto izay manimba ny asan’izy ireo ny FTAR (Fikambanan’ny Taxi eto Antananarivo Renivohitra) omaly 14 jolay 2022

15-juil-2022

Tataovan' ny hetra sy volam-panjakana maro ary nandoa izany foana izahay hatrizay, kanefa ny zavatra hitanay dia izahay manara-dalàna ihany no enjehina, potehina sy atao hazalambo ary terena mivezivezy manao DDT. Na nisy aza ireo fitarainana maro nataonay na teo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra na tany amin'ny fanjakana dia zava-poana izany satria mihamitombo hatrany ireo tsy manara-dalàna, anisan’izany ny taxi-moto », hoy ny fanambarana novakian’Atoa Andriamanarivo Alain. Milaza ny FTAR fa tsy zakany intsony ireo vesatra mianjady, raha mbola miriaria eny foana ireo tsy manara-dalàna mamotika ny azany. « Noho izany, izahay taxi dia manome fe-potoana herinandro ny Fanjakana sy ny kaominina Antananarivo hamongorana ireo taxi-moto ireo. Raha tsy tanteraka izany, dia manapa-kevitra izahay fa tsy handoa hetra sy tsy hanao DDT intsony ary tsy ekenay ny fanasaziana mifandraika amin' izany. Takianay tsy misy hatak'andro ihany koa ny famoahana ireo «licence » aman’arivony izay tsy mbola navoakan'ny kaominina Antananarivo Renivohitra efa ho roa taona izao », hoy ny FTAR.
ZARA RAHA MAHAZO 5000 AR
Eo amin’ny 160 000Ar isan-taona eo raha kely indrindra ny hetra alohan’ny taxi, 20 000Ar isam-bolana ny « assurance » kanefa raha fiara tsotra manao asana taxi mandritra ny telo volana migalabona fotsiny. Raha 10 000Ar na 15 000Ar ny tombony tokony ho azon’ny taxi dia tsy misy afatsy 5000Ar amin’izao, ary indraindray aza tsy misy. Noho ny fiakaran’ny vidin-tsolika, raha tokony ho 7000Ar ny saran-dàlana amin’ny « course » akaiky indrindra, dia mbola mitondra 5000Ar amin’izao. Tsy maintsy manaiky saran-dàlana ambany, mbola ampian’ny antsojay. Ny Taxi-moto, mazda, express,… manao asana taxi. Efa nanaovana fitarainana teo anivon’ny kaominina izany, kanefa henoy izany ry hazon-damosiko no valiny, hoy ny FTAR.
Toky R
Légende : Ireo mpitarika ny FTAR nanao fanambarana tetsy Ankazomanga omaly
 

Dans la même rubrique

26-mars-2024

Napetraka teo anivon’ny trano fiantohana MAMA ny faran’ny herinandro teo ny atao

Card image cap