airtel

Fifamoivoizana

09-nov-2021

Fifamoivoizana

Miha mangotraka ny krizy Hampiakatra saran-dàlana ny zotra nasionaly

Sample post image

Tao anatin’ny andro vitsy no efa niparitaka ny fampahafantarana fa hampiakatra ny saran-dàlana ny zotra nasionaly rehetra mampifandray an’Antananarivo Renivohitra sy ny faritra manerana ny Nosy manomboka ny 22 novambra

09-nov-2021

 2021 ho avy izao. Miombon-kevitra amin’io ireo Vondron’ny mpitatritra amin’ireo tobim-piantsonana lehibe misy: Fasan’ny karana, Ampasapito, Antohomadinika, Andohatapenaka,… raha ny voarakitra ao anatin’ny fampahafantarana. 5000Ar farafahakeliny ny fisondrotana ary misy aza tafiakatra hatrany amin’ny 20 000Ar, 30 000Ar, ary misy hatrany amin’ny 50 000Ar raha kajiana niainga tamin’ny saran-dàlana talohan’ny hamehana ara-pahasalamana. Ho an’Antananarivo-Ampatondrazaka, ohatra, raha 25 000Ar teo aloha, dia hiakatra ho 30 000Ar; Antananarivo-Ambalavao, raha manodidina ny 30 000Ar dia niakatra ho 40 000Ar; Antananarivo-Marovoay raha 26 000Ar teo aloha dia ho lasa 45 000Ar; Ho an’Antananarivo-mahajanga izay isan’ny be mpandeha indrindra amin’ny maha toerana mahaliana mpizahatany azy dia 30 000Ar niakatra ho 50 000Ar, ny zotra Antananarivo-Taolagnaro raha 70 000Ar ny sarany talohan’ny coronavirus, dia niakatra ho 100 000Ar rehefa niverina ny fitaterana ary tsy nidina intsony, ary izao indray hiakatra ho 120 000Ar izany hoe 50 000Ar ny fiakarana tao anatin’ny herintaona,… Tena midangana be ny fiakarana raha hihatra tokoa, ary hampihombo hatrany ny fiakaran’ny vidim-piainana mazava ho azy.
MITI-DANITRA MBA HAHAVOA TENDROMBOHITRA ?
Marina fa manana ny heveriny fa rariny ny mpitatitra, saingy marihina fa ny solika tsy niakatra, ny halavan’ny làlana tsy niova,… Any amin’ny kalitaon’ny làlana, ny fiakaran’ny vidin’ny piesy, fiakaran’ny vidim-piainana,… no isan’ny porofon-kevitra matetika hoentina amin’ny fampiakarana saran-dàlana rehefa tsy ny resaka solika. Fotoana fanararaotana ho an’ny mpitatitra ihany koa anefa ny vanim-potoana akaiky fety. Na izany aza tena fotoana ve izao? Aiza ny andraikitry ny Fanjakana ? Sa hoboriboriana amin’ny hoe: “digitalisation” indray? Tena tsy vitan’ny vahaolana “tip top” io, fa mila fifampiresahana. Raha ny zava-misy ankehitriny, tsy hiditra amin’ny resaka tohana ara-bola na “subvention” ho an’ny mpitatitra ny Fanjakana. Ahiana handeha amin’ny hoe: marimaritra iraisana, ka hisy ihany ny fampiakarana fa somary halatsaka io ka mety ho tonga amin’ilay hoe: nitifitra lanitra hahavoazana tendrombohitra. Tsy izay anefa no andrasan’ny olona fa ny mba hitazonana azy amin’ny ankehitriny farafaharatsiny.
Toky R
 

Dans la même rubrique