airtel

Fifamoivoizana

15-juin-2021

Fifamoivoizana

Miha potika ny RN2 Tandindonin-doza ny fitaterana sy ny famatsiana

Sample post image

Potika tanteraka ny ankamaroan’ny làlam-pirenena faharoa na ny RN2 mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina amin’izao fotoana izao.

15-juin-2021

 

 

 

 Isan’ny fanamarihana niparitaka tato anatin’ny fotoana vitsy ny eo amin’ny “Rond point Tanandava”, 7km tsy hidirana an’i Toamasina raha avy aty Antananarivo, izay ampahany ihany io, fa betsaka ny toerana efa tena simba indrindra fa ny eo anelanelan’Antsampanana sy Toamasina. Vokany, sorena ny mpampiasa làlana, mitombo ny fandaniana, miakatra ny solika lany, simba ny fiara,… Ho an’ny kamio mpitatitra entana ireny, ohatra, dia manodidina ny 300 000 Ar kely indrindra ny manao “diagnostic”. Isan’ny ain’ny toekarena Malagasy ny seranatsambon’i Toamasina, miantoka ny famatsiana an’Antananarivo sy manerana ny Nosy amin’ny entana ilaina amin’ny andavanandro hafarana avy any ivelany. Rehefa potika ny làlana, miakatra ho azy ny saran-dàlana, mitombo ny masonkaren’ny entana, mitombo ihany koa ny fotoana lany amin’ny fitaterana. Raha ny fahasimbana misy anefa no tsy misy fikitihana, dia mety ho henjana ny zavatra miandry any amin’ny fotoam-pahavaratra. Tsy vao izao no nisy ny fimenomenonana, fa efa hatry ny ela. Tamin’ireny fihibohana tamin’ny taon-dasa ireny no nilaza ny Fanjakana, fa hararaotina hanamboarana ny làlana simba ny tsy fisian’ny fiara mivezivezy, saingy tsy tena hita soritra ny fisian’izany, ary resaka ambony latabatra no betsaka.

TSY MISY FIKOJAKOJANA AN-TAONANY MARO

 Tsy nisy fikojakojana an-taonany maro ny ankamaroan’ny làlana teto Madagasikara, indrindra tao anatin’ny vanim-potoanan’ny tetezamita. Nitambatra ny fahavoazana, ary lasa tsy araka intsony, na mety misy ihany aza ny asa nandeha tato aoriana, saingy tsy nahasehaka ny fahasimbana nitambatra. Mbola manampy trotraka izany ny olana teo amin’ny fanovana ny rafitry ny FER nataon’ny Fanjakana Rajoelina, izay nahazoana fampitandremana tamin’ny banky iraisam-pirenena. Misy olana hatramin’izao tsy voavaha ny fandoavana ny karaman’ireo orinasa manodidina ny 300 nanao ny fikojakojana ny làlana, ary maro no tsy mety hanao asa intsony amin’izao satria ny volan’izy ireo aza tsy voafehy. Nisy ny fanadihadian’ny Global Economy ny taona 2019, navoakan’ny Agence EcoFin ny aogositra 2020 momba ny fanadihadiana ny kalitaon’ny làlana aty Afrika, ka tany amin’ny laharana faha-36 amin’ny firenena 38 nanaovana fanadihadiana isika, tsy nahazo naoty afatsy 2/10. Mirehareha sy milaza hanamboatra làlana, toy ny RN13 ny Fanjakana, izay zavatra tsara, saingy mila jerena ihany koa ny fanamboarana ireo efa misy.

Toky R

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap
23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap