kalesy ary ny taxi-bisikileta
Nampitaraina ny mpampiasa làlana miazo an'Amoronankona iny ny herinandro lasa teo ny faharetan'ny fitohanan'ny fiarakodia lavareny teny amin'ny Bypass hatrany amin'ny tobim-piantsonana Amoronakona. Tsy nitazam-potsiny ny Ben’ny tananan’Alasora Randriantsoa Jimmy sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny nanoloana izany. Nisy ny fepetra noraisiny niaraka tamin’irel solon-tenan'ny Ministeran'ny Fitaterana , ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety, ny mpitandro ny filaminana, ny solon-tenan'ny kaominina Antananarivo Renivohitra ary ireo solon-tenan'ny mpitatitra ao amin'ny Gara Amoronankona. Noraisina ny fepetra ka nanomboka afak’omaly Alatsinainy 21 Septambra dia voarara ny fivezivezen'ny sarety , ny taxi-bisikleta ary ny kalesy eny amin’iny faritra iny. Hisy koa ny sazy hampiharina ho an'ireo izay mandika izany fepetra napetraka izany hoy fanamafisana nentin'ny Ben'ny Tanànan'Alasora. Tsy adinony moa nandritra izany ny niresaka momba ireo fiarabe na kamiao izay tsy tokony hivoaka amin’ny andro atoandro intsony koa. Marobe loatra mantsy izy ireny no mivezivezy eny amin’ny By pass isan’andro ka zary miteraka ny fitohanan’ny fifamoivoizana ihany koa.
Pati
Legende : Tsy ahitana firy tahaka izao intsony eny amin’ny lalana By pass !