airtel

Fifamoivoizana

20-août-2021

Fifamoivoizana

Minisitry ny asa vaventy vaovao Hanaovana ezaka manokana ny lalam-pirenena faha 13

Sample post image

Laharam-pahamehana ho an’ny Ministry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy vaovao Hatrefindrazana Jerry ny asa fanamboaran-dalana mba hahafahan’ny olona sy ny vokatra mivezivezy

20-août-2021

. Lohalaharana amin’ireny ireo efa an-dalam-panamboarana toy ny lalam-pirenena faharoa raha tsy latsa-danja amin’izany ihany koa ireo efa tena ratsy, mila fanamboarana maika. Ho an’ny lalam-pirenena faharoa ohatra dia efa mandeha ny asa. Hojerena akaiky ihany koa ny lalam-pirenena fahafito ary hanaovana ezaka ny fanamboarana azy raha tsy latsa-danja amin’izany ny lalam-pirenena faha-44 izay efa mandroso ny asa ankehitriny. Hasiam-panamboarana ihany koa ny lalam-pirenena faha-6 sy ny mampitohy ny lalam-pirenena faharoa amin’ny lalam-pirenena faha-5 A. Toraka izany koa ny lalam-pirenena faha-13 izay hanaovana ezaka manokana.Tontosa soa aman-tsara, omaly, teny Anosy ny fifamindram-pahefana teo amin’ny ministry ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa Vaventy teo aloha, Andrianainarivelo Hajo, sy ny ministry ny Asa Vaventy Vaovao, Hatrefindrazana Jerry.
Pati
 

Dans la même rubrique

26-mars-2024

Napetraka teo anivon’ny trano fiantohana MAMA ny faran’ny herinandro teo ny atao

Card image cap