airtel

Fifamoivoizana

28-juin-2022

Fifamoivoizana

Moramanga-Anosibe An’ala Lalana 71 km atao adin’ny valo amin’ny moto

Velon-taraina ny olona! Fa angaha moa tsy hoe amboarina indray ny làlana RNT23A mampitohy an’i Moramanga-Anosibe an'ala izay 71km

28-juin-2022

monja sa mbola miandry ny filoha hametraka vato fototra sy fety be handaniam-bola be tahaka ny natao tany amin’ny RN13? Sa kosa mbola miandry propagandy manaraka indray. Niazo an’iny faritra iny ny Filoha ny febroary teo taorian’ny rivodoza ary nampanantena zavatra maro. Nialoha io, tamin’ny desambra 2021, nambara fa manomboka ny asa fanamboarana (PK-40-PK71) miainga amin’ireo tena simba, ka loharanom-bola anatiny na RPI (Ressources Propres Internes), ary ity taona ity no nilazana fa hisian’ny ezaka hamitana azy ho tara,… Ankehitriny, "mba mamangia ianao prezida , aty tsy afaka fiara, raha ho tonga ianao, alainay amin’ny taxi-moto", hoy ny olona. Tena velon-taraina ny vahoaka satria rehefa ny lalana no ratsy dia tsy misy ny fampandrosoana. Rehefa ny lalana no ratsy dia mihalafo ireo entana ilaina andavanandro. “Tsy honohono fa ny maso no nahita satria dia tsy misy fitaovam-pitaterana ankoatra ny Taxi-moto moto cross mandeha adin’ny valo sy Camion (Douple pont/pont carré : mandeha 24 ora no tonga any an-toerana” hoy ny olona. “Tsy nampino hoe làlana natao ora iray sy 15 min tamin'ny YAMAHA AG.200 itony làlana Moramanga-Anosibe an'ala itony ny 2004-2008”, hoy ny olom-pirenena mampahatsiahy, sady mampitaha ny taloha sy ny ankehitriny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap
22-avril-2024

Tombanana ho vita amin’ny taona 2025 ny lalana mirefy 75, 838km mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Vahibe,

Card image cap