airtel

Fifamoivoizana

25-mars-2022

Moto eto an-drenivohitra Tsy tokony hihoatra ny 40 km

ora ny hafainganam-pandeha

Sample post image

Saro-pady ny fitondrana kodiaran-droa na moto ka ilana fitandremana. Raha sanatria tratry ny lozam-pifamoivoizana mantsy izy ireny dia avy hatrany ireo olona mitaingina azy no lasibatra raha mbola misy vatany miaro kosa izany ho

25-mars-2022

 an’ny fiarakodia. Izany indrindra no antony nametrahana ilay hafainganam-pandehan’ny moto tsy mihoatra ny 40 km isan’ora raha eto an-drenivohitra, raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra iray misahana ny fifamoivoizana eto amintsika. Nohazavainy moa fa antony mahatonga ny 10%-n’ny loza hataon’ny kodiaran-droa eto amintsika dia vokatry ny olana ara-mekanika avokoa toy ny fipotsahan’ny tsindry hisatra, ny kodiarana vaky… Vokatry ny lalana ratsy sy ny tsy fisian’ny takelaby mari-pamantarana kosa ny 5% raha noho ny tsy fitondran-tenan’ilay mpamily sy ny fandehanana mafy ny 80% ambiny. Tafiditra ao anatin’izany ny tsy fahaizana mandefitra, ny fandehanana mafy ary indrindra ny tsy fifantohana. Ilana fifantohana tsara mantsy ny fitondrana kodiaran-droa na ny moto mba tsy hitera-doza hoy hatrany ny fanazavana azo.
Pati
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap