airtel

Fifamoivoizana

14-sept-2022

Fifamoivoizana

Mpamily fiara misotrosotro Tsy mahazo mihoatra ny 0,4 degré ny tahan’alikaola

Sample post image

Miisa 10 ireo mpamily voatery nosavain’ny mpitandro ny filaminana ny tahan’alikaoka tao anatiny ny faran’ny herinandro teo teny amin’ireo toerana somary mahamay.

14-sept-2022

Anisan’izany ny teny Ankorondrano izay tena maro mpanao faran’ny herinandro mahafinaritra tokoa na zoma manifika, ny teny Alasora By pass, ary ny teny Ampasika sy Iavoloha. Ny 2 tamin’ireo mpamily ireo ihany no fantatra fa tsy nisy fofona alikaola raha saika nandrenesana izany avokoa ny 8 ambiny ary saika nihoatra ny 0,4 degre avokoa ny tahan’alikaola tao anatin’ny vatany. Nambaran’ireo tompon’andraikitra fa rehefa ity farany no mitranga dia mijanona avy hatrany ilay fiara ary tsy mahazo mitondra ilay fiara intsony ilay mpamily. Na izany aza dia nambaran’izy ireo fa mbola fanentanana ihany aloha no hatao amin’izao fa afaka herinandro maromaro dia hiditra amin’ny fanasaziana avy hatrany izy ireo.
Pati
Legende : Ahiana hamono ny tenany sy ny mpiara-belona aminy ireo mpamily mamo eny am-pitondrana fiara
(Sary fanehoana)
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap
23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap